For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Sakafo malagasy.

Sakafo malagasy

Vary sy laoka trondro sy voanio

Ny sakafo malagasy na loky gasy na nahandro malagasy dia ny karazana sakafo nentim-paharazana malagasy rehetra na mahazatra ny Malagasy ankehitriny. Ny sakafo hanina eto Madagasikara dia maneho ny fifangaroan' ny fomba fikarakarana sakafon' ny mpifindra monina avy any Azia Atsimo Atsinanana, avy atsy Afrika, avy any Ôseania, avy any India, avy any Sina ary avy any Eorôpa izay nanorim-ponenana teto amin' ny Nosy taorian' ny fahatongavan' ny tantsambo voalohany avy any Borneo teo anelanelan' ny taona 100 sy 500 taor. J.K. Ny vary izay foto-tsakafon' ny ankamaroan' ny Malagasy, no nambolen' ny mpiorim-ponenana voalohany, miaraka amin' ny zavamaniry fihinam-bodiny sy ny foto-tsakafo hafa nataon' ny mponina voalohany. Ny sakafon' izy ireo dia nampian' ny vokatry ny fiotazana voankazo sy vody zavamaniry fihinana sy ny fihazana, izay nandray anjara amin' ny famongorana ny biby mampinono lehibe sy ny vorona lehibe teto amin' ny Nosy. Taty aoriana dia nanampy ireo loharanon-tsakafo ireo ny omby izay nampidirin' ny mpifindra monina avy ao Afrika Atsinanana izay tonga teto tany amin' ny taona 1000 tany ho any taor. J.K. Ny varotra nifanaovan' ny Malagasy amin' ny mpivarotra arabo sy indiana ary ny mpivarotra eorôpeana dia nampisy fiovana ny fomba fikarakarana sakafo teto amin' ny Nosy, tamin' ny fanampiana voankazo sy legioma ary zava-manitra vaovao.

Ny nahandro amin' izao fotoana izao, izay miely patrana eto amin' ny Nosy, dia mazàna dia mifototra amin' ny vary aroso miaraka amin' ny laoka. Ny karazan-daoka maro dia mety ho zavamaniry na misy prôteinina avy amin' ny biby, ary matetika ahitana saosy misy tsiro nohatsaraina miaraka amin' ny akora fanatsarana nahandro toy ny sakamalao, ny tongolo, ny tongolo gasy, ny voatabia, ny lavanila, ny sira, ny karia, na, amin' ny fomba mahalana kokoa, zava-manitra na anana hafa. Any amin' ny faritra maina sasany any atsinanana sy atsimo ary andrefana, ny fianakaviana mpiompy dia mety manolo ny vary amin' ny katsaka, sy ny mangahazo na rononon' omby niotrika. Misy karazana mofo mamy sy matsiro ary sakafo an-dalambe hafa hita eto amin' ny Nosy, ao koa ny voankazo isan-karazany amin' ny toetany mafana sy antonony. Eo amin' ny lafiny zava-pisotro dia misy ny ranom-boankazo, ny kafe, ny tambavy ary ny dite, ary koa ny zava-pisotro misy alikaola toy ny toaka sy ny divay ary ny labiera izay samy vokarina eto an-toerana.

Ny karazan-tsakafo hanina eto Madagasikara amin' izao taonjato faha-21 izao dia manome fanazavana momba ny tantara tsy manam-paharoa sy ny fahasamihafan' ny mponina eto Madagasikara ankehitriny. Ny fisian' ny karazan-tsakafo malagasy samihafa dia miainga amin' ny sakafo tsotra nentim-paharazana nataon' ny mponina tonga voalohany ka hatramin' ny sakafo be pitsopitsony natao ho an' ny mpanjaka tamin' ny taonjato faha-19. Na dia mbola manjaka aza ny sakafo malagasy mahazatra, dia ny vary sy ny laoka, tao anatin' ny 100 taona lasa dia nanjary be mpanao ny karazana sy fangaron-tsakafo hafa nentin' ny Frantsay mpanjanaka sy ny Sinoa ary ny Karàna mpifindra monina eto Madagasikara. Noho izany, ny nahandro malagasy, na dia manaraka ny fomba fikarakarana nentim-paharazana aza, dia nisy fakana tahaka ny nahandron' ny olona niditra vao haingana kokoa ireo.

Hoy ny ohabolana malagasy hoe "Ny kibo tsy mba lamosina, ary ny tsinay tsy mba vatsy". Ka ireto misy karazana sakafo vitsivitsy, sakafo malagasy.

Ny sakafo efa vita

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Sakafo malagasy
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?