For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Volta Noire.

Volta Noire

Ny renirano Volta Noire eo akaikin' i Dédougou
Ny ony Volta sy ny renirano Volta Noire (na Mouhoun) sy Volta Blanche (na Nakambé) ary Volta Rouge (na Nazinon) ary ny firenena lalovany sy manodidina azy

I Volta Noire (antsoina hoe Mouhoun any Borkina Fasô) dia renirano any Afrika Andrefana mamakivaky an' i Borkina Fasô sy i Kôtidivoara ary i Ganà. Iray amin' ny sakeli-dranon' ny ony Volta izy. Efa ho 1 000 km ny halavany manontolo. Saika ny ampahatelon' ny faritra andrefana amin' i Borkina Fasô no misy ny sahan-dranony.

Ao Borkina Fasô, atsimo-andrefan' ny tanànan' i Bobo-Dioulasso, no ipoiran’ ny loharanon’ i Mouhoun, ary miodina avaratra-atsinanana izy amin' ny voalohany, mifanandrify amin' ny sisintanin’ i Maly. Rehefa tonga tandrify ny tanànan' i Kouri izy dia manomboka miolakolaka ka mahatonga azy hizotra mianatsimo, hiampita avy any avaratra mankany atsimo amin’ ilay firenena. Any atsimo izy dia manatona ny tanim-pirenen' i Ganà, ka amin' ny voalohany dia namorona ampahany amin' ny sisin-tany eo anelanelan' i Borkina Fasô sy i Ganà.

Rehefa miala amin'ny taninin’ i Borkina Fasô izy dia lasa sisintany manasarka an’ i Ganà sy i Kôtidivoara aloha. Miala amin' ny tanin' i Kôtidivoara izy dia miditra ao amin' ny tanin’ i Ganà, manomboka manao olika izay mitondra azy mankany atsinanana ary avy eo mankany avaratra-atsinanana. Rehefa avy nivezivezy imbetsaka i Volta Noire dia mivarina ao amin’ ny farihy Volta ao Ganà, ka mampifangaro ny ranony amin’ ny an’ i Volta Blanche (na Nakambé). Aorian' ny fihaonanana eo amin' i Volta Noire sy i Volta Blanche, fihaonanana difotr’ ilay farihy ankehitriny, no tena nanomboka ny ony Volta.

Avy any Maly i Sourou (ilany havia) izay mandrafitra ny sisintany manasaraka ny firenena roa tonta mihoatra ny 15 km eo ho eo. Misy tohodrano ny ao amin' ny tanin' i Borkina Fasô, eo amin' ny fihaonany amin' i Volta Noire, izay mitahiry rano 250 hatramin' ny 500 tapitrisa metatra toratelo. I Sourou dia renirano manokana; raha ny marina dia sampan’ i Volta Noire ihany koa izy io: mandritra ny tondra-drano isan-taona, ny faritra ambany ao aminy dia vakivakin’ ny ranon' i Volta Noire avy any ambany mankany ambony. Noho ny fisian’ ilay tohodrano dia voatahiry ho amin’ ny vanim-potoanan’ ny main-tany io rano tondraka io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Volta Noire
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?