For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Ganà.

Ganà

Republic of Ghana ((en))
Repoblikan' i Ganà ((mg))
Sain'i Ghana Mari-piandrian'i Ghana
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Freedom and Justice
Fahalalahana sy Fahamarinana
Teny ofisialy Anglisy
Renivohitra Accra
5°33′N, 0°15′W
Tanàna ngeza indrindra Accra
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Nana Akufo-Addo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 78
238 540 km²
3,5
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 48
23 382 848 mpo.
88 mpo./km²

(({1))}

Anaran'ny mponina Ghaneana
Sandam-bola Cedi (GHS)
Faritr'ora UTC +0
Hiram-pirenena Hail the name of Ghana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+233

Ny Ganà na Repoblikan' i Ganà dia firenena any Afrika andrefana ao amin' ny faritry ny Helodranon' i Ginea, izay manana velaran-tany mirefy 238 540 km². Ny firenena manodidina azy dia i Kôtidivoara any andrefana, i Borkina Fasô any avaratra ary i Tôgô any atsinanana. Nisy mponina 29 340 248 tao tamin' ny taona 2020. Ny renivohiny dia ny tanàn' i Accra ary Ganeana no anaran' ny mponina ao aminy.

Firenena be lembalemba iva eo afovoan' ny lemaka amorontsiraka ao atsimo i Ganà. Izany lemaka izany dia tondrahan' ireo Volta telo, dia i Volta Mainty sy i Volta Fotsy izay mihaona ka manome an' ny ony Volta; miampy ny ony Oti. Namorona ny farihy Volta ny fanamboarana ilay tohadranon' i Akosombo tamin' ny taona 1966 ao atsimo, izay tohadrano voatr' olombelona fahefatra lehibe indrindra maneran-tany. Mandrakotra ny ampahatelon' ny velaran-tanin' ilay firenena ny fatrana nirian-kazo. Mampihena ny zavamaniry ao amin' ity firenena ity anefa ny haintany sy ny fitrandrahana ala tafahoatra.

Vondrom-poko mihoatra ny dimampolo no mandrafitra ny vahoaka ganeana. Maro anisa ny Kristiana nefa misy ihany koa ny manaraka ny fivavahan-drazana sy ny fivavahana silamo.

Miompana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Ganà, ka volena amin' izany ny kakaô (izay maha laharana fahatelo an' ity firenena ity manetan-tany), ny kafe, ny landihazo, ny katsaka ary ny ampemba; ompiana any ny omby. Mitrandraka hazo koa ny mponina any. Mandroso ny fanjonoana. Manana harena an-kibon' ny tany i Ganà ka ny baoksita sy ny diamondra (izay maha laharana fahavalo azy maneran-tany) ary ny volamena no tena trandrahana any. Mandroso ny sehatry ny taozava-baventy raha mitaha amin' ny an' ireo firenena hafa aty Afrika. Firenena mpikambana ao amin' ny CEDEAO i Ganà. Ny sandam-bola dia ny Cédi.

Tsy misy fifandraisana ara-jeôgrafia na ara-tantara amin' ny Empiran' i Gana i Ganà ankehitriny. I Ganà ankehitriny, izay nantsoina hoe Côte-de-l'Or taloha, dia novain' i Kwame Nkrumah anarana ho fahatsiarovana ny Fanjakan' i Ganà taloha tamin' ny fahaleovan-tena. Ny anarana Côte-de-l'Or dia avy amin' ny habetsaky ny volamena.

Ny fiteny ôfisialy dia fiteny anglisy, ny teny ampiasain' ny be sy ny maro dia ny fiteny toy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  • Vahoaka ao Ganà
  • Fiteny ao Ganà


Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Ganà
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?