For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Jôiakima.

Jôiakima

I Jôiakima na Jôakima dia mpanjakan' i Jodà nanapaka teo anelanelan' ny taona 609 tal. J.K. sy 598 tal. J.K.[1] Zanak' i Jôsia (na Jôsiasa) nandimby azy izy ary nodimbiasin' ny zanany atao hoe Jôiakina rehefa maty.

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

I Eliakima (Elyakim) no anaran' i Jôiakima talohan' ny naha mpanjaka azy. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יְהוֹיָקִים‬ / Yehôyâqîm izy (ao amin' ny Tanakh) izay midika hoe "nanangana ahy i Yah" ("nanangana ahy i Iahveh /Jehovah").

Amin' ny teny grika dia Ιωακιμ / Iôakim (ao amin' ny Septoajinta), ary amin' ny teny latina dia Ioakim (ao amin' ny Volgata). Ny Baiboly prôtestanta malagasy dia manoratra hoe Joiakima fa ny Baiboly katôlika malagasy kosa manoratra hoe Jôakima.

Fiainany sy fanapahany

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 609 tal. J.K. dia nananika an' i Siria sy Palestina ny Egiptiana tarihin' ny farao Nekao II mba hanampy ny mpanjaka faran' i Asiria atao hoe Asorobalita II izay nanohitra an' i Nabôpôlasara (mpanjakan' i Babilôna) sy ny Mediana (na Meda) mpomba azy tao Haràna. Nanohitra ny firosoan' ny tafik' i Nekao angamba i Jôsia izay mpanjakan' i Jodà tamin' izay ka izany no nahafaty azy tao Megidô tokony ho teo nelanelan' ny volana. Azon' ny Egiptiana tamin' izay ny tanànan' i Karkemisa ny Egiptiana.

Tamin' ny nahafatesan' i Jôsia dia ny zanany faralahy atao hoe Jôahaza no nasandratry ny vahoaka ho mpanjaka nefa telo volana taorian' izay dia nosamborin' i Nekao ka nogadrainy izy sy nasainy nandoa hetra ho azy. Ny rahalahiny, lahimatoan' i Jôsia, atao hoe Eliakima no voatendry ho mpanjakan' i Jodà. Niova anarana ho Jôiakima i Eliakima. Neken' i Jôiakima ny fanapahan' i Egipta ka nandoa hetra taminy izy. Taorian' ny fandresen' i Nebokadnetsara II (zanak' i Nabopôlasara) an' i Nekao tao Karkemisa (taona 605 tal J.K.) sy ny nahazoany an' i Askelôna (604 tal J.K.) dia nanaiky ho fehezin' ny Babilôna nandritra ny telo taona i Jôiakima.

Niady tamin' i Egipta i Nebokadnetsara II nefa tsy nahomby (taona 601-600 tal. J.K.), dia nandà ny handoa hetra tamin' i Nebokadnetsara i Jôiakima na dia nampitandrina azy aza ny mpaminany Jeremia. Nandritra ny fandaminan' i Nebokadnetsara ny tafiny dia tsy nandefa afa-tsy ny Kaldeana sy ny Edômita sy ny Amônita hanafika an' i Jodà ny mpanjaka babilôniana. Tamin' ny taona 598 tal. J.K., raha nanafika an' i Jodà i Nebokadnetsara dia maty i Jôiakima, angamba nisy namono, ka ny zanany izay mbola kely, i Jôiakina, no nandimby azy nefa tsy nanjaka afa-tsy telo volana fotsiny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ireo daty omena eto ireo dia mbola iadian-kevitra hatramin'izao - toy ny daty hafa rehetra momba ny tantara fahagola tao Atsinanana Afovoany.
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Jôiakima
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?