For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana.

Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana

Ny Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana na Taratasy faharoan' i Masindahy Paoly ho an' ny Kôrintianina dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, izay anisan' ny atao hoe epistily. Taratasy faharoa nalefan' ny Apôstôly Paoly ho an' ny fiangonana kristiana tany Kôrinto izany. Teo anelanelan' ny taona 55 sy 57 no nanoratana azy. Misy toko 13 ity boky ity.

Ny anaran' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Επιστολή προς Κορινθίους / Epistolê pros Korinthious ny anarany amin' ny teny grika ary Epistula II ad Corinthios kosa amin' ny teny latina.

Ny Prôtestanta malagasy sy ny ankamaroan' ny Kristiana malagasy tsy katôlika dia manao hoe Epistily faharoa ho an' ny Korintiana (hafohezina amin' ny hoe Korintiana faharoa) fa ny Katôlika malagasy kosa manao azy hoe Epistolà na Taratasy faharoan' i Masindahy Paoly ho an' ny Kôrintianina (hafohezina amin' ny hoe Kôrintianina faharoa).

Famintinana

[hanova | hanova ny fango]

Mamaly ny tenin' ny Kristiana sasany any Kôrinto izay miampanga azy ho tsy nanatanteraka ny fampanantenana ny hitsidika azy ireo i Paoly (2Kôr. 1:23). Te hahafantatra koa i Paoly raha efa nanaraka ny toroheviny na tsia ny Kristiana mbola malemy finoana ka manota (2Kôr. 2:5-11). Mampahatsiaro ny Kristiana ao Kôrinto i Paoly ny amin' ny famindram-pon' Andriamanitra sy ny tokony hananan' ny Kristiana izany toetra izany koa ka hanampy ny vahoakan' Andriamanitra ao Jerosalema sy Jodea (2Kôr. 8:1-9:15). Mpanompon' ny Fanekem-pihavanana vaovaon' Andriamanitra i Paoly (2Kôr. 3:1-17) ka vonona hitarika ny olona eo amin' Andriamanitra na dia hitondra azy amin' ny fahafatesana aza izany (2Kôr. 4:1 - 6:13; 10:1-12:10).

Fizaràn' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina efatra ny epistily:

Ny hasarotan' ny asa fanompoan' i Paoly (1:1 - 3:18)

[hanova | hanova ny fango]
  • Teny fisaorana an' Andriamanitra sy fiarahabana (1:1-11)
  • Niova ny vinavinan-dian' i Paoly (1:12 - 2:11)
  • Na ho amin' ny fiainana na ho amin' ny fahafatesana (2:12-17)

Tarihin' ny fitiavan' i Kristy (4:1 - 7:16)

[hanova | hanova ny fango]
  • Tsy maintsy hiaritra fahoriana sy tokony hitandrina (6:1-14)
  • Hafalian' i Paoly mifangaro alahelo noho ny vaovao nentin' i Titosy (7:1-16)

Famoriam-bola ho an' ny Kristiana any Jodea (8:1 - 9:15)

[hanova | hanova ny fango]
  • Anton' ilay famoriam-bola (8:1-15)
  • Hafatrahatra ho an' ny iraka (8:16 - 9:5)
  • Ny soa azo avy amin' ny fanampiana ny hafa (9:5-15)

Fiarovan-tenan' i Paoly amin' ny fiampangana azy (10:1 - 13:13)

[hanova | hanova ny fango]
  • Tsy mandeha araka ny nofo i Paoly (10:1-11)
  • Tsy manaiky ny ahatao hoe be hambo i Paoly (10:12-18)
  • Voatery midera tena i Paoly (11:1 - 12:18)
  • Tahotra sy ahiahin' i Paoly (12:19 - 13:10)
  • Teny famaranana (13:11-13)

Tsongan-tsoratra

[hanova | hanova ny fango]

"13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin' i Kristy. 14 Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin' ny mazava. 15 Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon' ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany" (2Kôr. 11:13-15).

"2 Mahalala olona anankiray ao amin' i Kristy aho, tokony ho efatra ambin' ny folo taona lasa izay - na tao amin' ny tena, na tsy tao amin' ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin' ny lanitra fahatelo. 3 Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin' ny tena, na tsy tao amin' ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - 4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain' olona." (2Kôr. 12:2-4).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Ny Epistilin' i Paoly:

Boky hafa ao amin' ny Baiboly:

{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?