For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Epistily nosoratan' i Jakôba.

Epistily nosoratan' i Jakôba

Ny Epistily nosoratan' i Jakôba na Epistola nosoratan' i Masindahy Jakôba na Taratasy nosoratan' i Masindahy Jakôba dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao, ao amin' ny Baiboly kristiana, izay anisan' ireo atao hoe epistily na taratasy. Mitonon-tena ho i Jakôba ny mpanoratra azy ary nosoratany "ho an' ny foko roa ambin' ny folo" izany. Anisan' ireo atao hoe Epistily katôlika ("epistily ho an' ny olona rehetra") io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray na olona iray fa ho an' ny fiangonana sy ny olona rehetra. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 49 sy 132 no nanoratana azy. Tamin' ny taonjato faha-2 vao nekena ho anisan' ny kanônan' ny Baiboly kristiana tanteraka ny Epistilin' i Jakôba na dia efa nampiasain' ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana ankapobeny aza izy talohan' izany fotoana izany. Misy toko 5 ity boky ity.

Ny anaran' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Επιστολή Ιακώβου / Epistolê Iakôbou no anaran' io epistily io amin' ny teny grika fa Epistula Iacobi kosa amin' ny teny latina.

Fanoratana ny epistily

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanoratra

[hanova | hanova ny fango]

I Jakôba Ilay Marina sa i Jakôba Zokiny sa olon-kafa?

Ny mpanoratra ity taratasy ity dia milaza ny tenany ho i "Jakôba, mpanompon' Andriamanitra sy ny Tompo Jesoa Kristy". Amin' ny ankapobeny dia heverina ho ilay "rahalahin' i Jesoa"[1] izy io, izay nanana ny anjara toerany manokana tao amin' ny fiangonan' i Jerosalema[2], izay nanokanana azy amin' ny fanambaràna ny Teny tamin' ny Jiosy na Jody.

Ny lovantsofin' ny Fiangonana dia manao an' i Jakôba Zandriny ho nanoratra ity epistily ity. Amin' ny mpanaraka ny lovantsofina dia tsy manalasala ny fiaviana jiosin' ilay mpanoratra: ataony hoe "sinagôga" ny fiangonana, sady ampahatsiahiviny no ataony ohatra i Jôba sy i Abrahama ary i Rahaba, ampiasainy matetika ny soratry ny Testamenta Taloha. Ny ankamaroan' ny manampahaizana ankehitriny dia miady hevitra ny amin' ny fahamarinan' izany lovantsofina izany. Ny sasany amin' ny mpikaroka dia mihevitra fa Grika kristiana mahalala ny epistilin' i Paoly sy ny epistilin' i Petera no nanoratra io taratasy io.

Ny Epistilin' i Jakôba no voalohany amin' ny epistily katôlika izay tsy nosoratana ho an' ny fiangonana na olona voantondro manokana fa ho an' ny Fiangonana iray manontolo, indrindra ny Jiosy na Jody niova finoana ho Kristiana. Miantefa amin' ny "foko roa ambin' ny folon' ny vahoakan' Andriamanitra any am-pielezana" ilay Taratasy, dia "foko" entiny ilazana ny Kristiana, izay azo ampitahaina amin' ny vahoakan' Andriamanitra ao amin' ny Fanekem-pihavanana taloha nahitana ny fokon' i Israely roa ambin' ny folo.

Fotoana nanoratana

[hanova | hanova ny fango]

Mety teo anelanelan' ny faramparan' ny taonjato voalohany sy ny fiandohan' ny taonjato faha-2 no nanoratana ny Epistilin' i Jakôba, teo anelanelan' ny taona 49 sy 132.

Fomba fanoratra

[hanova | hanova ny fango]

Ny Epistilin' i Jakôba dia fitambaran-toromarika sy fananarana ary famporisihana momba ny fitondrantena izay milahatra nefa tsy misy fifanohizana mazava, sady sahala amin' ny fomba fanoratra ao amin' ny Bokin' ny Ekleziastika (boky deoterôkanônika) sy ny bokim-pahendrena apôkrifa jiosy hafa no nanoratana azy. Mitovitovy amin' ny fomba fanoratra ao amin' ny Bokin' ny Ohabolana ny Epistilin' i Jakôba.

Famintinana

[hanova | hanova ny fango]

Manolotra fampianarana sy fampiharana ny fivavahana kristiana eo amin' ny fiainana andavanandro io epistily na taratasy io. Entaniny ny Kristiana mba hikatsaka sy hifidy ny faharetana, izay "fahendrena avy any ambony" (Jak. 3:17), ny fanetren-tena sy ny "fivavaky ny finoana" (Jak. 5:15). Ilaina izany satria mitondra mankany amin' ny faharatsiana ny ny harem-be sy ny fiteny feno fireharehana ary ny fialonana sy fifampiandaniana (Jak. 3:14). Ahafahan' ny Kristiana manohitra ny fakam-panahy, na dia izay farany mafy aza, ny finoana kristiana. Nefa izany finoana izany dia tokony hosedraina tsy ankijanona, satria ny finoana tsy misy asa dia finoana maty (Jak. 2:17).

Zava-dehibe io taratasy io noho izy mifantoka amin' ny zavatra azo ampiharina amin' ny fiainanana avy hatrany sady tsy very lanja amin' ny fotoana rehetra ny fananarany.

Tsongan-tsoratra

[hanova | hanova ny fango]

Ny finoana sy ny asa

[hanova | hanova ny fango]

"14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan' andro, 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin' ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an' ny tenany, inona moa no soa azo amin' izany? 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. 18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin' ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin' ny asako. 19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? 21 Tsy nohamarinina tamin' ny asa va Abrahama razantsika tamin' ny nanaterany an' Isaka zanany teo ambonin' ny alitara? 22 Hitanao fa niara-niasa tamin' ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin' ny asa; 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an' Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25:6), ary natao hoe "Sakaizan' Andriamanitra" izy (Isa. 41:8). 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin' ny asa ny olona, fa tsy amin' ny finoana ihany." (Jak 2:14-26, Ny Baiboly)

Lahatsoratra tsy hita ao amin' ny Testamenta Taloha

[hanova | hanova ny fango]

"Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan' ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin' ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana." (Jak 5:17, Ny Baiboly Masina)

"Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan' ny ranonorana amin' ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana" (Jak 5:17, Ny Baiboly)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Jereo ny Matio 13.55
  2. Jereo Galatiana 2.9 sy Asan' ny Apôstôly 15.13-21.
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Epistily nosoratan' i Jakôba
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?