For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Bokin' ny Ohabolana.

Bokin' ny Ohabolana

Manoratra ohabolana i Solomona, nataon'i Gustave Doré, 1866

Ny Bokin' ny Ohabolana na Ohabolana dia boky ao amin' ny Testamenta Taloha, ao amin' ny Baiboly, izay tafiditra ao amin'ireo boky atao hoe "Soratra masina" (Hagiografa) na Ketuvim (na Ketubim) ao amin' ny Baiboly jiosy na Tanakh. Ny Bokin' ny Ohabolana dia fanangonam-pitenenana izay nampiasaina teo amin' i Israely tany aloha mba hampianarana ny vahoakan' Andriamanitra ny fomba tokony hiainany ao amin' ny fahamarinana araka ny Fahendrena.

Nosoratana hanana endrika tononkalo ny ohabolana, sahala amin' ny salamo. Ahitana teny mirakitra fahendrena nentin-drazana ao, toy ny oha-pitenenana fohifohy isan-karazany sy tononkalo koa izay mahakasika ny fitondran-tena araka an' Andriamanitra sy fitsikerana ny fisainana ratsy mbamin' ny asa ratsin' ny olona ary maneho ny vokatr' izany.

Isan' ireo lohahevitra voizin' ny Bokin' ny Ohabolana ny maha fanomezana avy amin' Andriamanitra ny fahendrena, dia ny fahendrena izay tokony hananan' ny olona amin' ny fotoana sy toerana rehetra ary amin' ny sehatra rehetra. Ampianariny ny tokony hanaovana sy hitiavana ny rariny sy ny fanetren-tena ary ny fananana toetra mahatoky. Tsy manavaka saranga ny ohabolana fa mahakasika ny sokajin' olona rehetra.

Anaran' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe Ohabolana dia teny malagasy nenti-nandika ny teny hebreo hoe Míshlê izay midika hoe "fanoharana" na "ohabolana". Atao hoe שְׁלֹמֹה מִשְלֵי / Míshlê Shlomoh io boky io ao amin'ny Tanakh, izany hoe "Fanoharan' i Sôlômôna" na "Ohabolan' i Sôlômôna". Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Liber proverbiorum na Proverbia (ao amin' ny Volgata). Amin' ny teny grika kosa dia Παροιμίαι / Paroimiai (ao amin' ny Sptoaginta na Septanta). Marihina fa niala ny fisian' ny anaran' i Sôlômôna na Salômôna ao amin' ny lohatenin' ny boky amin' ny Baiboly maro natonta taty aoriana.

Ny fanoratana ny Bokin' ny Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]

Ny ankamaroan' ireo ohabolana ao amin' ny boky dia lazain' io boky io fa nosoratan' i Solomona (Oha. 1.1; 10.1; 25.1), ary ny sasany nataon' i Agora (Oha. 30.1) sy ny mpanjaka Lemoela (Oha. 31.1).

Fizaràn' ny Boky

[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina dimy ny Bokin' ny Ohabolana araka ny olona voalaza fa nanoratra azy:

  1. Hafatrafatry ny Fahendrena (1.1 -- 9.18);
  2. Ohabolan' i Sôlômôna, andiany voalohany (10.1 -- 22.16);
  3. Ohabolan' ny Olonkendry (22.17 -- 24.34);
  4. Ohabolan' i Sôlômôna, andiany faharoa (25.1 -- 29.27);
  5. Ohabolana avy ivenan' i Israely (30.1 -- 31.31).

Toy izao ny antsipiriany amin' izany:

Hafatrafatry ny Fahendrena (1.1 -- 9.18)

[hanova | hanova ny fango]
  • Teny fampidirana: miaina araka ny Fahendrena (1.1-7)
  • Famporisihana hikatsaka ny Fahendrena (1.8 - 7.27)
  • Fiderana ny Fahendrena (8.1-35)
  • Ny hadalana ampitahaina amin' ny Fahendrena (9.1-18)

Ohabolan' i Sôlômôna, andiany voalohany (10.1 -- 22.16)

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolan' ny Olonkendry (22.17 -- 24.34)

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolan' i Sôlômôna, andiany faharoa (25.1 -- 29.27)

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana avy ivenan' i Israely (30.1 -- 31.31)

[hanova | hanova ny fango]
  • Ohabolan' i Agora (30.1-33)
  • Ohabolan' ny mpanjaka Lemoela (31.1-9)
  • Ohabolana manaraka abidy: vehivavy hendry (31.10-31)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Bokin' ny Ohabolana
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?