Tanimbary
Ny tanimbary dia ampahan-tany atokana amin' ny fambolena vary ampidirana rano hanondrahana azy. Maro isan-karazany ny endriky ny tanimbary arakaraka ny tontolo misy azy, ny fomba fikajiana ny rano, ny halalin' ny rano atao ao anatiny, ny haambo misy azy, ny fomba famblena ny vary.
Maro ny firenena ahitana tanimbary, ka isan' izany ireo firenena any Azia Atsinanana sy any Azia Atsimo-Atsinanana toa an' i Malezia, i Sina, i Tailandy, i Kôrea, i Japàna, i Vietinamy, i Taioàna, i Indônezia, i India i Srilanka ary i Filipina. Ahitana tanimbary koa ny faritra sasany any Eorôpa toa an' i Camargue any Frantsa sy Piemont any Italia.
Text is available under the CC BY-SA 4.0 license; additional terms may apply.
Images, videos and audio are available under their respective licenses.