For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Losifera.

Losifera

Losiferan' i Liège (katedralin' i Saint-Paul, Liège).

I Losifera, amin' ny Kristiana, dia ilay anjely potraka noho ny fikomiany tamin' Andriamanitra, dia tsy iza fa i Satana. Ny anarana hoe Losifera (latina: Lucifer) anefa dia tsy nanana io heviny io tany am-piandohana fa nenti-nanondro ny planeta Venosy izay nantsoina hoe "mpitondra ny fahazavana"[1]. Midika ara-bakiteny hoe "mpitondra ny fahazavana" io anarana io, izay fikambanan' ny anarana latina hoe lux ("fahazavana") sy ny matoanteny latina hoe ferre ("mitondra")[2].

Hevitr' ilay teny

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fedrà rômana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny andron' ny Rômana taloha, ao amin' ny fedràny, dia anarana nilazana ny planeta Venosy, izay mialoha lalana ny masoandro ka manambara ny fahatongavan' ny mazava; nantsoina hoe "kintan' ny mangiran-dratsy" na "kintan' ny maraina" koa io planeta io.

Ao amin' ny jodaisma

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Baiboly io anarana io dia nanondroana ny mpanjakan' i Babilôna.

Ao amin' ny fivavahana kristiana

[hanova | hanova ny fango]

Taty aoriana, tamin' ny nielezan' ny fivavahana kristiana dia nihevitra ny Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) maro fa ny andininy ao amin' ny Baiboly amin' ny teny latina misy io anarana io dia milaza ny fahalavoan' i Satana ka nampitovy an' i Losifera amin' i Satana.

Nanome heviny telo ny teny hoe lucifer na Lucifer amin' ny vaninandro telo samihafa ny Kristiana.

Mpitondra ny fahamarinana

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina ho mpamari-toetra ny hoe lucifer, izay avy amin' ny teny latina midika hoe "mpitondra ny fahazavana". Nampiasain' ny Kristiana sasany hilazana amin' ny heviny an-kolaka ny hoe "mpitondra ny fahamarinana" io teny io.

Mpanjakan' i Babilôna

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina ny teny hoe lucifer ho anarana iombonana, avy amin' ny hevitra hoe "kintan' ny maraina", izay nampiasaina ao amin' ny Baiboly amin' ny teny latina atao hoe Volgata, mba handikana ny andian-teny hoe "kintana mamirapiratra" ao amin' ny Bokin' i Isaia, sy ny hafa koa (Isa 14, 4; 14. 12-14; 14.15-21). Nanao izany ny mpanoraratra ny bokin' i Isaia hanondroany ny fahafatesan' i Sargôna II na i Nebokadnetsara na i Nabônida[3]. Ity fahalavoan' ny mpanjakan' i Babilôna ao amin' ny Bokin' i Isaia ity no lasa fahapotrahan' i Losifera ao amin' ny Baiboly latina.

Ilay anjely potraka

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina ho anaran-tsamirery, izay nosoratana hoe Lucifer io teny io ka lasa anaran' ilay anjely potraka noho ny nikomiany tamin' Andriamanitra. Ny sasany dia nampitovy an' io anjely io amin' ny devoly ka nampiasa ilay anarana hanondroana an' i Satana. Io heviny farany io no notanan' ny maro hatramin' izao ao amin' ny fivavahana kristiana sy ny zavakanto (indrindra ny sary).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Gaffiot - lucifer 1934 : Cicéron, De natura deorum, 2, 68 ; Lucrèce, De natura rerum, 5, 726 ; Ovide, Héroïdes, 11, 46.
  2. "Lucifer", Dictionnaire Gaffiot français-latin, p. 923 [tahiry], lexilogos.com.
  3. École biblique de Jérusalem, La Sainte Bible, Paris, Éditions du CERF, 1955-1961.
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Losifera
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?