For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Hagara.

Hagara

I Hagara sy i Ismaela tany an-tany efitra, nataon'i Grigoriy Ugryumov.

I Hagara dia vehivavy resahina ao amin' ny Baiboly izay voalaza fa mpanompovavin' i Saraha (vadin' i Abrahama) avy any Egipta sady renin' i Ismaela zanak' i Abrahama voalohany. I Saraha no nanome alalana an' i Abrahama vadiny hanambady an' i Hagara mba hahanany taranaka. Tsy nifanaraka tamin' i Saraha i Hagara ka lasa nadositra tany an-tany efitra. Nampanantenain' ny anjely i Hagara fa hiteraka zazalahy ka niverina tany amin' i Abrahama indray ary niteraka an' i Ismaela. Sitrana ihany ny hamomban' i Saraha izay efa antitra ka niteraka an' i Isaaka. Nampandroahin' i Saraha an' i Abrahama i Hagara sy ny zanany ka lasa tany an-tany efitra indray izy mianaka.

Amin' ny Mozilmana dia tena vadin' i Abrahama i Hagara ary zanak' i Abrahama tena tiany i Ismaela.

I Hagara ao amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana

[hanova | hanova ny fango]

I Hagara ao amin' ny Testamenta Taloha

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Testamenta Taloha araka ny Bokin' ny Genesisy (na Jenezy) dia andriambavy egiptiana tao amin' ny lapan' ny Farao i Hagara nefa nanapa-kevitra hanaraka an' i Abrahama sy ny vadiny Saraha. Efa antitra sady momba i Saraha ka nomeny alalana i Abrahama hanambady an' i Hagara mba hahanana taranaka. Nitoe-jaza tamin' i Abrahama i Hagara ka tsy niraharaha an' i Saraha izay nanao toeran-tsy zaka taminy noho izany. Nandositra tany an-tany efitra i Hagara sy ny zanany nefa nampodin' ny anjely iray sady nasainy hanoa an' i Saraha. Naminany taminy ny hananany taranaka maro ilay anjely sady hatao hoe Ismaela (hebreo: Ishma-êl "mihaino Andriamanitra") ny anaran' ny zazalahy haterany. Izany fihaoan' ny anjely sy i Hagara izany dia niseho teo amin' ny lava-drano fantsakana atao hoe Lahay-Rôy eo anelanelan' i Kadesy sy i Bereda. Niteraka an' i Ismaela tokoa i Hagara tamin' ny faha-86 taonan' i Abrahama (Gen. 16).

Fandroahana an'i Ismaela sy ny reniny - nataon'i Gustave Doré

Nitoe-jaza tamin' i Abrahama ihany i Saraha tamin' ny farany ka niteraka an' i Isaaka izay niara-notezaina tamin' i Ismaela. Tsy sitrak' i Saraha anefa ny hiarahan' i Ismaela handova amin' ny zanany ka nasainy nandroaka an' i Hagara mianaka i Abrahama. Mofo sy kitapo hoditra fitondran-drano no nomen' i Abrahaman hoentin' i Hagara sy ny zanany mirenireny any an-tany efitr' i Ber-Seva. Rehefa lany ny tao amin' ilay kitapo hoditra dia nandao an' i Ismaela teo ambody hazo iray i Hagara ka lasa niala lavitra azy mba tsy hahita ny hahafatesany. Nitomany i Hagara ka henon' Andriamanitra izay nandefa anjely hankahery sy hitarika azy amin' ny toerana misy lava-drano fantsakana. Nilaza ilay anjely fa ho be voninahitra sady hanan-taranaka maro i Ismaela (Gen. 21.1-21). Nofenoin' i Hagara rano ilay kitapo hoditra hampisotroiny an' i Ismaela zanany izay nitambelona indray. Nanorim-ponenana tao amin' ny tany efitr' i Paràna i Hagara mianaka ka rehefa lehibe i Ismaela taty aoriana dia nampanambadiny vehivavy egiptiana (Gen. 21).

I Hagara ao amin' ny Testamenta Vaovao

[hanova | hanova ny fango]

Voaresaka ao amin' ny Testamenta Vaovao koa i Hagara. I Paoly apostoly, ao amin' ny Epistily ho an' ny Galatiana, dia manohatra an' i Hagara amin' i Jerosalema ety an-tany sy amin' ny Fanekem-pihavanana taloha fa i Saraha kosa amin' i Jerosalema any an-danitra sy amin' ny Fanekem-pihavanana vaovao (Gal. 4).

Ny mety ho taranak' i Hagara araka ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Ny taranak' i Hagara dia fantatra amin' ny anarana hoe Ismaelita (taranak' i Ismaela) nefa ao amin' ny Baiboly (ao amin' ny Boky voalohan' ny Tantara sy ao amin' ny Bokin' ny Salamo) dia misy foko na firenena atao hoe Hagarita na Hagarena izay misy mihevitra fa taranak' i Hagara nefa mety tsy manondro ny Ismaelita. Ireto avy ny andalana miresaka ny amin' ny Hagarita:

"Ary tamin' ny andron' i Saoly dia niady tamin' ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran' ny ilany atsinanana rehetra amin' i Gileada izy." (1Tant. 5.10)

"Ary niady tamin' ny Hagarita sy tamin' i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy. Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin' izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin' Andriamanitra teo amin' ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy." (1Tant. 5.19-20)

"5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao, 6 Dia ny lain' ny Edomita sy ny Ismaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, 7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin' ny mponina any Tyro. 8 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin' ny taranak' i Lota ireo." (Sal. 83.5-8)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Hagara
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?