For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Fiteny ao Roanda.

Fiteny ao Roanda

Ny fiteny ao Roanda dia ahitana indrindra ny fiteny kiniaroanda, ny fiteny frantsay, ny fiteny anglisy ary ny fiteny soahily. Ny fiteny kiniaroanda (izay ao amin' ny fianakaviam-piteny banto) sy ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialin' i Roanda. Ny fiteny soahily izay fiteny ifaneraseran’ ny vahoaka ao Afrika Atsinanana dia tenenina ao Roanda koa. Mihalany kosa ny mpampiasa ny fiteny neerlandey.

Fiteny afrikana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny kiniaroanda

[hanova | hanova ny fango]

Ny 99,38%n' ny mponina dia miteny kiniaroanda tamin' ny taona 2002. Fitenim-pirenena izy ao Roanda, izay ahitana fiovana isam-paritra, indrindra ao avaratra sy ao atsimon' ilay firenena. Marihina fa tenenina ao amin' ny tapany atsimon' i Oganda sy ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Tanzania ary ao amin' ny tapany atsinanan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô koa ity fiteny ity.

Ny fiteny soahily

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny volana Febroary 2017 dia nolanin’ ny Antenimieram-pirenena roandey ho fitenim-pirenena koa ny fiteny soahily noho ny fisian' ny Roandey niverina avy any amin' ny firenena miteny soahily any atsinanana taorian' ny fandripahana. Tamin’ ny taona 2002 dia miteny soahily ny 2,97 %n' ny Roandey.

Fiteny eorôpeana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny frantsay

[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny taona 2002 dia 3,87 % no miteny frantsay. Tamin' ny taona 2012 dia miteny frantsay ny 11,4 %n' ny Roandey. Tamin' ny taona 2014, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-Pirenen' ny Frankôfônia (OIF), dia 6 %n' ny Roandey no miteny frantsay. Hatramin' ny Desambra 2014, ny vola faratsa roandey (franc rwandais) vaovao dia tsy misy soratra afa-tsy amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny kiniaroanda, nanjavona ny teny frantsay

Ny fiteny anglisy

[hanova | hanova ny fango]

Ny disadisa teo amin' i Roanda sy i Frantsa hatramin' ny nisian' ny fandripahana tamin' ny taona 1994 sy ny fiverenan' ny Totsy maro avy any Oganda miteny anglisy sy soahily ary ny fiarahan' i Roanda amin' i Etazonia dia nanosika ny fitondram-panjakana hanao ny fiteny anglisy ho fitenim-pirenena nanomboka tamin' ny taona 2003. Tamin' ny taona 2002 dia 1,95 %n' ny Roandey no miteny anglisy. Nanomboka tamin' ny taona 2010 dia saika ny fiteny anglisy irery no fiteny enti-mampianatra ao Roanda. Naverina ho fiteny enti-mampianatra ny fiteny frantsay manomboka amin' ny kilasy fahefatra ao amin' ny ambaratonga voalohany. Tamin' ny taona 2012 dia miteny anglisy ny 14,7 %n' ny Roandey.

Ny fiteny neerlandey

[hanova | hanova ny fango]

Mihalana ny mpampiasa ny fiteny neerlandey ao Roanda.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Fiteny ao Roanda
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?