For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Fanomezan' ny Fanahy Masina.

Fanomezan' ny Fanahy Masina

Ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina na fanomezan' ny Fanahy Masina dia fanomezana hery mahagaga avy amin' ny Fanahy Masina. Izany dia fahasoavana avy amin' Andriamanitra izay ilain' ny Kristiana tsirairay sady nilain' ireo Apôstôly koa tamin' ny andron' izy ireo mba hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonana. Raha amin' ny heviny mifintina, ny hoe "fanomezam-pahasoavana" dia voambolana teôlôjika ampiasaina hanondroana ny fahasoavana omena manokana ho an' ny Kristiana isam-batan' olona mba hahasoa ny hafa, ka tsy afangaro amin' ny fahasoavana izay manamasina ny Kristiana tsirairay izany, ka isan' izany ireo Fanomezam-pahasoavana fito avy amin' ny Fanahy Masina sy ny Vokatry ny Fanahy Masina.

Ireo fanomezan' ny Fanahy Masina mahazatra, izay atao hoe koa "Fanomezana karismatika sivy" dia ireto:

  • ny tenin' ny fahendrena;
  • ny tenin' ny fahalalana;
  • ny fitomboan' ny finoana;
  • ny fanomezana hanasitrana;
  • ny fanomezana hanao fahagagana;
  • ny faminaniana;
  • ny fanavahana ny fanahy samihafa;
  • ny fitenenana amin' ny fiteny maro;
  • ny fandikan-teny.

Manampy azy ireo ny maha apôstôly, ny maha mpaminany, ny maha mpampianatra, ny fanampiana ny mahantra sy ny marary ary ny fahaiza-mitondra sy mitantana (ity dia miaraka amin' ny raharaha sasany tanterahina ao am-piangonana).

Ireo fanomezana ireo dia avy amin' ny Fanahy Masina ka atolony ny isam-batan' olona, nefa ny tanjony dia ny hampahatanjaka ny Fiangonana manontolo. Resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin' ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana (1Kôr. 12. 8-10; 12.28), ao amin' ny Epistily ho an' ny Rômana (Rôm. 12. 6-8) ary ao amin' ny Epistily ho an' ny Efesiana (Efes. 4. 11). Miresaka momba ny fanomezan' ny Fanahy koa ny Epistily voalohany nosoratan' i Petera (1Pet. 4).

Ireo fanomezana ireo dia mifandray amin' ny fahaizana voajanahary sy ny fahaizana mahagaga avy amin' ny Fanahy Masina.

Misy roa lehibe ny fiheverana ny amin' ny fanomezan' ny Fanahy Masina: ao ireo milaza fa efa tapitra ka tsy misy intsony izany (anglisy: cessationism) ary ao koa ireo manambara fa mbola mitohy ny fisian' izany (anglisy: continuationism).

Maro ny fikambanana sy ny fihetsiketsehana nandray anjara tamin' ny fanomezan-danja ny fanomezan' ny Fanahy Masina ka ny andiany voalohany dia ny pentekôtisma tamin' ny taona 1906, ny andiany faharoa dia ny hetsika karismatika tamin' ny taona 1960 ary ny andiany fahatelo dia ny hetsika karismatika vaovao tamin' ny taona 1980.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Fanomezan' ny Fanahy Masina
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?