For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Doalisma (finoana).

Doalisma (finoana)

Ny doalisma dia foto-pampianarana ara-pivavahana izay milaza ny fiaraha-misin' ny foto-javatra roa maharitra nipoiran' ny tsara sy ny ratsy. Mampifanohitra foto-javatra na andriamanitra roa na antokon' andriamanitra na antokom-panahy roa ny fivavahana doalista ka ny voalohany ipoiran' ny tsara fa ny faharoa kosa ipoiran' ny ratsy. Any am-parany anefa dia mino ny mpivavaka doalista fa horesin' ny fototry ny tsara ny fototry ny ratsy.

Ny mazdeisma, izay nipoiran' ny zôrôastrisma, dia mampifanohitra andriamanitra roa, dia i Ahora Mazda sy i Angra Mainio na Ahrimàna. Ho an' ny fivavahana zôrôastriana, izay doalista nefa manam-pirehana mônôteista, dia i Ahora Mazda irery no hany Andriamanitra fa i Ahrimàna na Angra Mainio kosa tsy andriamanitra fa fanahy ratsy. Ny zervanisma dia mampifanohitra ny kambana, dia i Ahora Mazda sy i Angra Mainio, nefa ambonin' ireo i Zorvàna izay ray niteraka azy ireo. Ny manikeisma, izay mampifanohitra ny tsara sy ny ratsy mandrakizay, dia doalista koa.

Teo amin' ny tantaran' ny fivavahana kristiana dia doalista ny bôgômilisma, ny katarisma, ny gnôstisisma, ny markiônisma ary ny paolisianisma.

Ny fivavahana iraniana doalista

[hanova | hanova ny fango]

Ny mazdeisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny mazdeisma dia fiivavahana tao Iràna taloha izay mampianatra ny fifanoheran' ny foto-javatra roa, dia ny Tsara (na Ohrmazd) izay nahary an' izao tontolo izao, sy ny Ratsy (na Ahriman), izay miezaka hatrany ny hanimba ny zava-bitan' i Ohrmazd. Izany ady izany anefa tsy maintsy hifarana amin' ny faharesan' i Ahriman sy fandresen' i Ohrmazd.

Ny zôrôastrisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny zôrôastrisma dia fivavahana mônôteista niorina tany Persia tany amin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. izay nivoatra avy amin' ny mazdeisma. Manao an' i Ahora Mazda (Ahura Mazda) ho Andriamanitra tokana ny zôrôastrisma nefa manindry mafy ny fifanoheran’ ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ ny ratsy ka tsy mitory fisian’ andriamanitra roa.

Ny zervanisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny zervanisma dia hetsika ara-pivavahana izay nahazo io anarany io avy amin' ny anaran' ny mpandray anjara tantaraina amin' ny fedrà, atao hoe Zorvàna. Tany Persia tamin' ny andron' ny Akemenida no nipoiran' io fivavahana io ary heverina fa nisy talohan' ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin' ny fampianarany, indrindra ny doalisma. I Zorvàna anefa dia hevitra fa tsy andriamanitra. Foto-javatra tsy voafaritra i Zorvàna, mpamorona ny demiorga kambana roa, ka ny Ratsy (i Ahrimàna) dia ilaina amin' ny fototry ny famoronana.

Ny manikeisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny manikeisma dia fivavahana nipoitra tany Persia tamin' ny taonjato faha-3, izay fifangaroan' ny zôrôastrisma sy ny bodisma ary ny kristianisma. Nandray zavatra be dia be tamin' ny gnôstisisma ny manikeisma. Ny ivon' ny fampianaran' ny manikeisma dia ny fizaràny izao rehetra izao ho roa, ahitana ny fanjakan' ny Tsara (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan' ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' i Satana.

Ny doalisma teo amin' ny tantaran' ny kristianisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny bôgômilisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny bôgômilisma dia hetsika kristiana tsy nanaraka ny fampianaran' ny Fiangonana ôfisialy, niforona tamin' ny taonjato faha-10, izay efa tsy misy intsony ankehitriny, izay nanorina ny fampianarany amin' ny lamin-kevitra manikeana mampifanohitra ny Fahazavana (na ny Tsara) amin' ny Haizina (na ny Ratsy), sady naka ampaham-pampianarana tao amin' ny Evanjelin' ny Testamenta Vaovao ka tsy manaiky ny Testamenta Taloha afa-tsy ny Bokin' ny Salamo sy ny bokin' ny mpaminany. Ny Bôgômila dia nihevitra fa ny famoronana, izay heveriny fa ratsy, dia asan' ilay Andriamanitra maizina, ka tsy nandray anjara tamin' izany ilay Andriamanitra tsara.

Nandroso tao Bolgaria sy tao Serbia ary tao Bôsnia ny bôgômilisma sady nisy vokany koa tao amin' ny kolontsain' ny olona tao amin' ireo Balkana. Ny fiheverana gnôstika kristiana sy ny manikeisma no niantraika tamin' io hetsika io.

Ny katarisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny katarisma dia hetsika doalista ara-pivavahana kristiana nandritra ny Andro Antenatenany tao Eorôpa, indrindra tao amin' ny faritra atsimo ao Frantsa. Mino ny adin' ny Tsara sy ny Ratsy, izay fampianarana noraisiny tamin' ny manikeisma, ny katarisma; izany dia taratry ny fifangaroan' ny tontolo ara-panahy noforonin' Andriamanitra izay mifanohitra amin' ny tontolon' ny raha (bna matiera) noforonin' i Satana.

Ny gnôstisisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny gnôstisisma dia firehan-kevitra na rafi-pisainana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana izay mihambo hanam-pahalalana feno an' Andriamanitra sy ny zava-drehetra sady manankina ny famonjena amin' izany fahalalana izany. Nandroso tamin' ny taonjato faha-2 sy faha-3 taor. J.K. ny gnôstisisma. Ny olombelona dia noforonin' ny andriamanitra ambany tsy tonga lafatra, dia ilay mpahary ataon' ny Gnôstika hoe Demiorga na Iahveh koa. Ity andriamanitra ratsy ity dia mifanohitra amin' ilay andriamanitra ambony izay sady tonga lafatra no mihoa-draha nefa mifandray amin' ny olombelona amin' ny alalan' ny fahalalana nomeny.

Ny markiônisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny markiônisma dia firehana teôlôjika tao amin' ny Fiangonana voalohany, nipoitra avy tamin' ny gnôstisisma, izay milaza fa ny vaovao mahafalin' i Kristy dia vaovao mahafalim-pitiavana madiodio ka mifanohitra amin' ny Lalàn' i Mosesy izay an' ny vahoakan' i Israely taloha. Noho izany dia tsipahiny ny Testamenta Taloha. Ilay Andriamanitra mpamorona ao amin' ny Testamenta Taloha dia tsy misy ifandraisany amin' ny Andriamanitra fitiavana ao amin' ny Testamenta Vaovao.

Ny paolisianisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny paolisianisma dia fivavahana nipoitra amin' ny kristianisma tatsinanana, izay tsy misy intsony ankehitriny, mitsipaka ny fisian' ny mpitondra fivavahana, ny fampiasana ny hazo fijaliana, ny fanajana ny olo-masina, ny sakramenta, ny fanambadiana ary ny fombafombam-pivavahan' ny Fiangonana grika sy ny Fiangonana rômana mbamin' ny fitiavany fahefana sy harena ny Paolisiana. Endrika vaovaon' ny manikeisma ny paolisianisma izay niseho tao Azia Minora, faritra tao amin' ny Empira Bizantina, tamin' ny taonjato faha-7.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Doalisma (finoana)
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?