For faster navigation, this Iframe is preloading the Wikiwand page for Ala.

Ala

Ala anaty valam-pirenena any Soisa
Ny ala amazônianina any Brezily : ala mikitroka

Ny ala dia toerana be hazo maniry. Misy dikany maromaro ampiasaina ho an' ny ala, mifototra amina fepetra maro. Ny ala dia mandrakotra ny 9,4 %-n' ny tany na 30 % hatramin' ny 50 %-n'ny velarantany manontolo eto an-tany.

Ny ala koa dia toerana iainana sy fidiram-bola ho an' ny olombelona: tamin' ny fanombohan'ny taonjato faha 20, mahery ny 500 tapitrisa ny isan' ny olona miaina akaiky ala na ao anaty ala; 150 tapitrisa amin' ireo no teratany. Misy karazan' ala maromaro misy; ny ala mbola tsy voakitika na mbola tsy voaovan' ny olombelona toetra dia lazaina hoe ala fototra na alananahary, ary ny ala efa nokasihan' ny olona dia lazaina hoe ala segondera. Afa-tsy ireo karazana ireo, misy koa ny ala any an-tanàna sy ny fambolena ala.

Karazan' ala

[hanova | hanova ny fango]

Any Eorôpa

[hanova | hanova ny fango]
Ny ala Biogradska any Bolgaria

Ny ala eorôpeanina dia alan' ny toe-tany mafana tsy tahaka ny any amin' ny tanimaty na any amin' ny Fehibe amin' ny andro fahavaratra ary mangatsiaka tsy tahaky ny any amin' ny tendron-tany. Ny rotsakorana dia betsaka sy manara-potoana. Ny karazan-kazon' ny ala antonon-kafanana dia hazo kesika, chêne ary châtaigner.

Aty Afrika

[hanova | hanova ny fango]
Alan-tsilon' Ifaty any Madagasikara

Aty Afrika misy ala mando any amin' ny farany avaratr' i Afrika ary any amin' ny farany atsimo. Ny ala eo amin' ny faritry ny Fehibe dia alam-pehibe: mikitroka, mando (ilatsahan' ny orana mandavan-taona) Ny karazan-kazo hita matetika ao amin' ny ala mafana dia ny baobaba, ny akasia, ary « pin ».

Ny ala any Azia dia ala mivelatra. Ny ohatra iray dia ny alan' i Komi, any Rosia. Betsaka ny karazan-kazo misy.

Any Amerika

[hanova | hanova ny fango]
Alan' Amazônia

Any Amerika Avaratra, ny ala dia alan'ny tany mangatsiaka any avaratra, ala mando mangatsiaka any avaratra andrefana ary tahaka ny alan'ny tany eo amorontsiraky ny Mediteranea any atsimo-andrefana. Ny ala any atsimo-atsinanana dia ala mando (any Florida). Ny karazan-kazo misy anatin' ny alan' i Amerika Avaratra dia ny pin.

Any Amerika Atsimo, ny ala amazônianina dia ala mando.


Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
{{bottomLinkPreText}} {{bottomLinkText}}
Ala
Listen to this article

This browser is not supported by Wikiwand :(
Wikiwand requires a browser with modern capabilities in order to provide you with the best reading experience.
Please download and use one of the following browsers:

This article was just edited, click to reload
This article has been deleted on Wikipedia (Why?)

Back to homepage

Please click Add in the dialog above
Please click Allow in the top-left corner,
then click Install Now in the dialog
Please click Open in the download dialog,
then click Install
Please click the "Downloads" icon in the Safari toolbar, open the first download in the list,
then click Install
{{::$root.activation.text}}

Install Wikiwand

Install on Chrome Install on Firefox
Don't forget to rate us

Tell your friends about Wikiwand!

Gmail Facebook Twitter Link

Enjoying Wikiwand?

Tell your friends and spread the love:
Share on Gmail Share on Facebook Share on Twitter Share on Buffer

Our magic isn't perfect

You can help our automatic cover photo selection by reporting an unsuitable photo.

This photo is visually disturbing This photo is not a good choice

Thank you for helping!


Your input will affect cover photo selection, along with input from other users.

X

Get ready for Wikiwand 2.0 🎉! the new version arrives on September 1st! Don't want to wait?